Les Animations sur la page ...

 

ARRRR...

http://a.ratsimbarajohn.free.fr/

 

DIARY (1842-2003)

na ireo daty tsara hotadidin'ny 

Terak'i RAINIZAFIMANGA-RASOAVELO

                                                                   

2ème Page

 [ 1ere page [ 2ème page ] [ 3ème page [ 4ème page ]

 

Marihina eto am-piandohana fa notsongaina avy amin'ny diarin'i Ingahy RATSIFANDRIHAMANANANA ireo daty rehetra ireo ka nadika mitovy araka izay hita tao izany.

15 jolay 1883  : Tonga andraonay Dr Rajaofera fa avy nandeha niaraka tamin'ny tafika malagasy nanafika tany Amorontsanga-Majunga : fifalian lehibe hoan'ny fianakaviana izany ary nanao fanasana ho azy.
03 Oktobra 1886  : Natao batisa tao Ambavahadimitafo Rasolomanana ka Mr Jukes no nanao batisa azy.
9 jolay 1889  : Nodidiam-poitra Rasolofomanana ka Dr Rajaofera no nanao azy tao faravohitra.
6 Aogostra 1889  : Niantomboka nianatra tao amin'ny sekolin-jazavavy tao Faravohitra (Miss Diana) i Razanamanana sy Rabodomanga.
2 Aogositra  1890  : Maty tao Analakely tanànany Ingahy Rainimarosandy. 14 Vtra O.D.P.
4 Aogositra 1890  : Nolazaina tamin'ny fomba ofisialy tao Andafiavaratra teo amin'ny tokontanin'ny Praiministra ny fahafatesan'Ingahy  Rainimarosandy ary Rasoamanana mpampianatra, vadin'ny zafikelin'i Razafimanga, no nilaza ny tantarany.
5 Aogositra 1890  : Niandrasam-paty tao amin'ny tanànany tao AnalakelyIngahy Rainimarosandy.
6 Aogositra 1890  : Natao ny fandevenana an'Ingahy Rainimarosandy ka nentina tao amin'ny fiangonany Analakely. Randrianony sy Rainibao samy mpitandrina no nandahateny, ary koa Andriambelo sy Andrianaivoravelona ary Rév. Richardson.
14 Aogositra 1890  : Niangona isan'Alahady tao amin'ny fiangonana Tsinjoany ny Manjaka sy ireo mpanara-dia azy notarihin'br Praiminisitra ka tamin'ny Alahady 14 Aogositra ity dia Rasoamanana, Mpampianatra, no nitoriteny ka ny teny notoriany dia ny Jaona XVIII, and. 40.
21 Aogositra 1890  :  Niala teto Antananarivo ho any Tsinjoarivo ny Mpanjaka Ranavalona III sy ny Praeminisitra Rainilaiarivony sy ireo mpanaraka azy  ka isan'ireo Rasoamanana Mpampianatra, vadin'i Razafimanga; tonga tao Tsinjoarivo ny Mpanjaka ny Asabotsy 23 Aogositra.
24 Aogositra 1890  :  Niangona tao amin'ny fiangonana Tsinjoarivo ny Mpanjaka sy ireo mpanara-dia azy; Rambelo no nitoriteny ny maraina  ary Andrianaivoravelona ny hariva.
08 Aogositra  1896 :   Teraka lahy  i Razafindrasoa vadin'i Dr Rajaofera : Rasandrifera no anarany.
21 Oktobra 1896   : Teraka lahy Ravololona vadin'i Rasamoely Rainizafimanga ka Mona Joseph Rasamoely no anarany.
28 Febroary 1897  :

Noraisin'ny fanjakana Frantsay nampidirina an-tranomaizina ao Antanimora Rainizafimanga sy Dr Rajaofera; Tsy navaokany tao izy ireo raha tsy ny 01 avrily 1897; natao  antoka ho fampandrian-tany ary maromaro izy ireo no tao.

Nentin'i Rasanjy gouverneur principal de l'Imerina izy ireo ny 2 avrily 1897 ary naseho  ny Général Galliéni  tao Andafiavaratra.

23 septambra 1897 :  Andro Alakamisy . Natao mariazy i Ramambahasina sy Rafara ka tao amin'ny trano,'i Rasoamanana sy razafimanga no natao.
25 Septambra 1897  : Teraka lahy i Razafimalala, rahavavin'i Razafimanga ka i Razanapera no anaran'ny zaza.
19 febroary 1899  :  Teraka Victoria Razaivelo, zanaka voalohany sady vavymatoan'i Gilbert Razafimahazo sy Ramandresiavona (aieux de TetezamitaKely)
10 désambra 1899  :  Teraka lahy i Rabodomanga: Ratovelomanana atao hoe Marc Rabetrano io.
24 Désambra 1899  :  Teraka lahy i Razafimalala. angamba i Ralissy io.
17 avrily 1900   : Mariazy sivily Ralaijaona sy Raketamavo, zanak'i Rajaofera sy Razafimalala.
20 avrily 1900  : Natao mariazy religieux ka Rafranck no nanao ny mariazy.
17 jolay 1900  :  maty Itoa reniben'i Razafimanga ka nalevina eny Manjaka.
15 Oktobra 1900   : Teraka lahy i Rabodomanga: i Soa io na atao hoe koa : Eugène Rabetrano.
29 Oktobra 1900   : Teraka ny lahimatoa'i Gilbert Razafimahazo; Georges Narcisse Albert Razafimahazo ny anarana nomena azy, fa i Rakoto no fiantsoana azy amin'ny maha-lahy matoa azy.
29 jolay 1902  :  Teraka Marguerite Razafimahazo, zanaka fahatelon'i Gilbert Razafimahazo sy Ramandresiavona
6 Désambra 1904  :  Teraka Rasandiriaka (Charles Rakotomanga) zanak'i James Rakotomanga sy Ratsaraibe.
19 Mai 1905  :  Teraka Jean Fréderic Razafimahazo , zanaka fahefatr'i Gilbert Razafimahazo sy Ramandresiavona.
26 jolay 1906  : Maty Rajaofera, mpaka sary. vadin'i Razafimalala ary nalevina ny ampitso teny Antanimenakely Ambohimangakely.
16 Septambra 1906  : Teraka teto Manatrikarivo i Razafinimanana; Alahady tamin'ny 12 ora sy sasany famantaranandro antoandro; novàna hoe : Rasoamanana Samuel nony maty Ingahy Rasoamanan rainy, vadin'i Razafimanga.

Farany, dia mbola mamerina ihany ny fialan-tsiny izahay nanoratra ny boky raha toa ka misy fahadisoana eo amin'ny daty sy  andro voalaza rehetra eo ambony, satria mba hitazonana ny "authenticité"-ny  diarin'Itompokolahy Ratsifandrihamanana, dia ninianay tsy novàna izay rehetra  voasoratra tao anatiny.

Tetezamitakely a rajouté quelques dates qu'il a trouvées dans d'autres documents. Il invite les autres membres de la famille à lui signaler les dates importantes de leur famille respective.

 

Recueil et mise en page par Tetezamitakely du "Diary (1861-1934) réalisé par : 

Ratsifandrihamanana Sahondra, Ratsizafy Tiana, Razanamparany Vero

Docteur Ratsifandrihamanana Lanto sy ny ny Komitin'ny tantara 150 taona Rainizafimanga.

 [ Suite 3ème page ]

FERMER CETTE FENETRE