Les Animations sur la page ...

 

ARRRR...

http://a.ratsimbarajohn.free.fr/

 

DIARY (1842-2003)

na ireo daty tsara hotadidin'ny 

Terak'i RAINIZAFIMANGA-RASOAVELO

                            

3ème Page

 

 [ 1ere page [ 2ème page ] [ 3ème page ] [ 4ème page ]

 

Marihina eto am-piandohana fa notsongaina avy amin'ny diarin'i Ingahy RATSIFANDRIHAMANANANA ireo daty rehetra ireo ka nadika mitovy araka izay hita tao izany.

03 Avrily 1909  : Niala teto Antananarivo Razafimanga sy ny zanany ho any Betafo Antsirabe fa dokotera niasa tany Dr Razafindrazaka vadin'i Ravololomanana; ary nahazo andro tsy fianarana ny ankizy ka nitondra  ny zanany haka rivotra Razafimanga no sady namangy zanaka. Alarobia 7 Avrily no  tonga tany Betafo ary pousse-pousse no nandehanana; tonga  tany koa ny 17 Avrily Rasolofomanana mivady; nody ny 04 mey 1909.
21 Oktobra 1909 : Maty tao Ampandrana-Andrefana tranon'i Razafimahazo Rtoa Rasoavelo, ka nalevina teny Manjaka ny Asabotsy 23 Oktobra 1909. be dia be ny mpandevina.
01 Janoara 1914 : Nalain-tsary tao amin'ny Mairie tana ny taranak'i Rainizafimanga.
22 Janoara 1915 : nodimandry i Ramatoa Rabodomanga
23 janoara 1915 : nalevina i Ramatoa Rabodomanga
1917 : nodimandry i Victoria Razaivelo, zanaka voalohany sady vavymatoan'i Gilbert Razafimahazo sy Ramandresiavona
03 Aogositra 1920 : Natao'i Dr Moss sy Ch. Ranaivo opération i Rasoavelomanana, zanak'i Razafimanga, tao amin'ny hopitaly Ambatovinaky.
04 Aogositra 1920 : Maty tao amin'ny hopitaly io Rasoavelomanana ary nentina ao amin'ny fasany ao Andrainarivo.
18 febroary 1921  : Maty Samiso, étudaint en Médecine, zanak'i Rasamoely Rainizafimanga, ka nalevina ny 21 febroary 1921 teny Manjaka.
15 Avrily 1921   : Niainga hianatra ho any amin'ny Faculté de médecine  de Paris  i Marc Rabetrano, zanak'i Rabodomanga.

27 Mey 1923   :

Maty tany Ambatondrazaka i Ramatoa Ravelondriaka, zanak'i Dr Rajaofera, ary nalevina eny Manjaka.

06 febroary 1926  : Maty i Rabodosoa, zanak'i Razafimalala.
13 marsa 1929   : Maty Randriamandranto vadin'i Raketamanga ary nalevina ny ampitso ao Avaratr'Antanimora.
14 Marsa 1929  : Mariazy ny Rakotomanga sy Ravaonarivonimanana.
24 Febroary 1930  : Maty Dr Rajaofera anadahin'i Razafimanga ary nalevina teny Manjaka Ilafy ny 26 Febroary 1930. andro alarobia.
3 Aogositra 1930  : Maty androany Rasandifera ary nalevina ny ampitso eny Atsinanan'Andraisoro fa vao nisy faty nalevina teny Manjaka.
30 Jona 1932   : Maty i Razafimalala rahavavin'i Razafimanga. Teny Isotry tokantranon'i Dr Ratsimba-Rajohn (Aieul de TetezamitaKely) no maty izy, ary nalevina ny asabotsy 2 jolay 1932 tany Antanimenakely Ambohimangakely.
15 Septambra 1932  : Lasa nianatra any an-dafy Dr Razafitsifehera.
15 Oktobra 1932  : Mariazin'i Samuel Rasoamanana sy Elysée Raketamanga; teny Andrainarivo, tranon'i Ratsifandrihamanana no nanaovana ny fasana.
30 jona 1932  : nodimandry i Ramatoa Razafimalala
06 Febroary 1933  : Maty Célestin Ratsifandisamanana, zanak'i Rasolofomanana, zafikelin'i Razafimanga, tao Soavina Ambanitsena ka nentina teny Andrainarivo ary nalevina tao ny 7 Febroary 1933.
13 Marsa 1933  : Maty Ramandresiavona vadin' Razafimahazo Gilbert  (Aieul de TetezamitaKely) , ary nalevina any Anjanahary ny 15 Marsa 1933.
11 Novambra 1933 : nanao fetim-pianakaviana teny Andrainarivo ny terak'i Rainizafimanga.
5 Septambra 1934  : Narary voan'ny gripa i Razafimanga teny Andrainarivo ka nentin'i Ramangavelomanana niakatra eny Faravohitra na dia nolaviny mafy aza satria ratsy ny andro ka mety hivadika ny aretina. Tao aminay tao izy no notsaboina.
21 Septambra 1934  : Nodimandry Ramatoa Razafimanga, ka tao amin'ny tokantron'i Ratsifandihamanana mivady no nitsaboina azy sy nahafatesany; nalevina ny Alahady 23 Septambra teny Andrainarivo.

Farany, dia mbola mamerina ihany ny fialan-tsiny izahay nanoratra ny boky raha toa ka misy fahadisoana eo amin'ny daty sy  andro voalaza rehetra eo ambony, satria mba hitazonana ny "authenticité"-ny  diarin'Itompokolahy Ratsifandrihamanana, dia ninianay tsy novàna izay rehetra  voasoratra tao anatiny.

Tetezamitakely a rajouté quelques dates qu'il a trouvées dans d'autres documents. Il invite les autres membres de la famille à lui signaler les dates importantes de leur famille respective.

 

Recueil mis à jour et mise en page par Tetezamitakely du "Diary (1861-1934) réalisé par : 

Ratsifandrihamanana Sahondra, Ratsizafy Tiana, Razanamparany Vero

Docteur Ratsifandrihamanana Lanto sy ny ny Komitin'ny tantara 150 taona Rainizafimanga.

 [ 4ème page ]

FERMER CETTE FENETRE